RadioMada - TV Mada : Le Coeur et la Voix de Madagascar
Tongasoa - Bienvenue - Welcome
Le Coeur et la Voix de Madagascar.
Ny ho avy no tokony jerena ...
Envoyé par: Vavan'ny "pelouse" ! (Adresse IP journalisée)
Date: jeu 11 juin 2009 23:43:20


Na inona na inona,eo ny zanaka aman-jafy sy ny ho aviny.
Izay no tokony ho karakarain-tsika 1°.

Resaka matavy sy fitiavan-tena daholo ny ataon'ireo mpanao politika ireo.

Ny ho avin'ny Tanindrazana sy ny Firenena no vonjy maika.
Iza marina izy ireo ?
Ny mpamboly sy mpiompy,ny fianaran'ireo ankizy sy tanora ho reharehan'ny raiamandreny sy ny fianakaviana ary ny Tanindrazana, ireo mpanao orin'asa, sns ...

Ary, raha mbola tsy manana solom-bava mahatoky isan-tsokajiny ireo eo amin'ny Fitondràna dia ho "coup d'Etat" permanent no fandehany.
Ireo ngetroka ireo tsy mahafantatra akory ny fahoriana sy ny fasahiranan'ny madinika.

AOKA IZAY ! MAHANTRA, SAHIRANA SY MIJALY NY VAHOAKA !

Matoa tsy tafaverina i RAVALOMANANA, tena tsy afa-manaotra izy no tsy manam-piniavana handray andraikitra no tsy misy mpanampy.



ho toa anie izany
Envoyé par: ralay (Adresse IP journalisée)
Date: dim 5 juillet 2009 08:28:56

Ny tena olana dia manjaka loatra ny Fitiavan-tena, fa tsy mijery ny Tombotsoa Iombonan'ny Firenena, tsy misy afa tsy calcul Politika sahady, fa mihevitra fa efa tafavoaky ny Ala , very olo-manga ve isika Malagasy, tsy mahatoky aho fa manana Fanantenana. Aleo hiroso ny fifidianana dia ho hita eo, fa ny tena zava dehibe dia ny Fandresen-dahatra hatao mba handraisan'ny Olom-Pirenena rehetra Résponsabilité ka Hentanina izy ireo Hiomana @ izany Repoblika Faha efatra izany, dia tsy misy afa-tsy ny Fandehanana mifidy ary handinika tsara izay hatao mba tsy ho diso fanantenana.
Maro ny Olon-Kendry sy manam-pahalalàna mahatoky izany aho

tena tia tanindrazana ve ?
Envoyé par: fanantenanafitia (Adresse IP journalisée)
Date: lun 20 juillet 2009 08:41:41

.....tsy mitsahatra manontany tena izahay aty an-tanindrazana hoe:
- Tena tia tanindrazana tokoa ve ireo mpitarika politika eto Dago?
- Tena tia tanindrazana koa ve ireo ao amin'ny HAT ireo ?
Sa dia tena tsy hitsahatra ny hikoronta intsony isika satria mananontanona ny pétrole, ka ampikorintanin'ny firenena mandroso?
Samia manontany tena ???
Fitia

Re: Ny ho avy no tokony jerena ...
Envoyé par: ralay (Adresse IP journalisée)
Date: jeu 23 juillet 2009 12:56:17

Efa tena latsaka anaty ny Fahantrana ary miziriziry ny HAT tsy hihiditra @ Charte sy ny Gouvenement de consensus tsy misy ady hevitra anefa raha izao fandehan-Dravatra izao fa dia hikorotana indray ny hafa raha miziriziry @ izany ry zareo, izao indray dia mihevitra ny hanala ny Olom-boafidy Ben'ny Tanàna manerana an'i Madagasikara ny eo anefa tsy voafehy, dia mbola tantara hafa indray tsy misy minhintsy ny Fitiavan-Tanindrazana fa dia hoe hopotehana indray ny Zone Franche nefa dia maro ireo efa very asa nandritra izay Fotoana lava izay.Tsy mahatoky aho hoe misy fitiavan-Tanindrazana fa hisisika ho Filoha i AR dia ho hohitantsika eo indray ny tohiny fa dia mihoatra noho ny teo ny estimation ny maro. Mampalahelo ny toe-draharaha ka enga anie hisy sahy hipoitra ato ho ato eh



Votre nom: 
Votre adresse électronique: 
Sujet: 

C'est un forum modéré. Votre message restera caché jusqu'à ce qu'il soit approuvé par un modérateur ou un administrateur.
 
RADIOMADA - TV MADA
Le Coeur et la Voix de Madagascar


Nombre de connectés sur le chat = 0