Olombelo Ricky
Envoyé par: Tiwi (Adresse IP journalisée)
Date: sam 2 septembre 2006 11:26:01
Salama ianareo ato @ Radio Mada.
Mankasitra, mankatelina @ ireo ezaka ataonareo ato. Tsy lavitra velively Madagasikara miaraka aminareo ho anay izay aty am-pitandranomasina. Mba misy zavatra angatahiko raha mety. Mpankafy manokana ny olombelo Ricky ny tenako ary zavatra maro no azoko avy amin'ny fihainoana ireo hira novokariny. Misy hira vaovao vao mivoaka any.Tao wanadoo.mg no nahenoko ilay izy voalohany."Ody aina" no lohateniny. Io hira io dia ho tafiditra ao anatin'ilay raki-kira "Ody Aina" izay hivoaka atsy ho atsy. Ka raha mba misy hevitra re ry namako isany, mba ampiarao @ ireo izay efa ao anaty "live radio" ao ilay izy. Dia aza adino ny manaraka.
Dia misaotra mialoha.