RadioMada - TV Mada : Le Coeur et la Voix de Madagascar
Tongasoa - Bienvenue - Welcome
Le Coeur et la Voix de Madagascar.
Aller à la Page:  12Suivant
Page courante:1 parmi 2
hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: isandra (Adresse IP journalisée)
Date: jeu 3 août 2006 12:48:52

Manahoana ê,

Ny ankizikelintsika mba te hiheno sy hianatra hira gasy tsotra anefa manentana.

Hanampy azy ireo amin' ny fianarana teny gasy koa e.

Misaotra ho azy ireo .

Isandra

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: sylvia (Adresse IP journalisée)
Date: jeu 28 septembre 2006 11:22:53

HIRA:

Iny hono izy ra vorom-bazà !!
Ho ento manaraka anao any an-tsaha!!
Raha mitomany ampangino!!
Raha mangina avereno!!
ouh!! ouh!! ouh!! ouh!!


TSIANJERY:

I:
Raha misy manomé zavatra ho anao,
Kingà miteny hoe "MISAOTRA TOMPOKO O!!!!"


II:
Fetinao anio ry neny!
Ka raha hisokatra ny vava ka hiteny,
Arahaba no atolotra ,
Miaraka amin'ny mamy kely!!!!


izay no mba haiko ka ratoa ka misy diso dia aza misalasala ny manintsy ahy!! misaotra anareo mialoha, sy miala tsiny!!!

Veloma finaritra!!!!

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: Sillaire (Adresse IP journalisée)
Date: mer 18 octobre 2006 06:48:03




Madagasikara!
Tany voahodidin'onja,mitomara_batosoa
vao topaza_maso monja dia mambabo fo tokoa.


Tsianjery izay mba tsaroako sady tsy mety hadino noho ny hatsaran'ny firindran'ny teny .Misaotra nanana ity hevitra hira ho an'ny ankizy ity.

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: tsiaro (Adresse IP journalisée)
Date: mer 18 octobre 2006 12:35:29

ny maso mijery fitaratra vita
ny endrika anatin'ny fo eny hita
vinaky eo daholo na ratsy na tsara
fa ny maso mijery mahay mitantara

ny mason'ny tsara dia feno fifaliana
madio sy mamiratra tsisy haratsiana
ny mason'ny ratsy tsy mety mazava
fa matroka foana manjombona lava

tandremo ry zandry ny maso mijery
fa maro izy ireny no tena mamery
mahay manangoly kanefa mifono
tangena ary poizina tena mamono


io no mba tsianjery tiako hiantefa @ ireo ankizy zanaka malagasy nefa indrindra koa ho antsika lehibe mba hiarovantsika ny zanatsika @ zavatra ratsy maro tsy sahazan'ny taonan'ireo ankizy ireo izay mety ho hitany @ fahitalavitra na ny internet ts voaaro, kanefa koa mety hanimba zavatra maro eo @ fahazazany,

teny hono atsipy eny an-antandroky ny omby ary tady atsipy any am-pon'ny mahalala ka de ataovy toy ny voankazo an'ala re, ka izay tsara atelina fa izay ratsy kosa aloavy.de mahereza ééé

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: Sillaire (Adresse IP journalisée)
Date: lun 23 octobre 2006 05:27:14


Mino aho fa diso fanoratra ianao ry Tsiory;koa manantena aho fa tsy manohina anao raha ahitsiko kely ny fombafiteny eo ambony izay nampiasainao.
Ny tady hono atsipy eny an-tandroky ny omby ary ny teny atsipy any am-pon'ny mahalala ka .......


Re: cherche amitié
Envoyé par: laurent nadège (Adresse IP journalisée)
Date: lun 30 octobre 2006 10:41:16

salut je suis une fanatrice de radio mada c trop cool alor c est quoi votre music favorit??? @++ j esper avoir votre reponse

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: tsiaro (Adresse IP journalisée)
Date: jeu 30 novembre 2006 15:43:16

Sillaire an,

misaotra betsaka t@ fanitsiana nataonao fa ankasitrahako indrindra ireo tsy mba mijery arina an-tava toa anao saigy izy iny mantsy dia niniako natao mba hampalefadefaka ilay message nalefako sao de lazain'ny olona be moraly eo za, sady mba hampiomehezana ny mpamaky kely éééééééééé, Tsiaro moa no anarako fa tsy Tsiory é

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: soafeno (shinygirl) (Adresse IP journalisée)
Date: mar 20 novembre 2007 06:40:58

:-)
Miarahaba indrindra !

I dada sy neny malalako izay
dia fola-damosina ery taminay
i neny nitaiza nibaby nanasa
i dada isan'andro torovana miasa

Mba inona kosa no avaliko ireny
fitiavan-tsy ritra an'i dada sy neny
manaraka tsara ny anatra omeny
mivavaka ho azy ny valim-babeny

Miala tsiny dieny mialoha fa mety misy diso ity tononkalo ity ary vonona hatrany ny hanitsy izany
:-)

Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: laalah (Adresse IP journalisée)
Date: ven 19 décembre 2008 22:08:46

ty ny ahy mba tadidiko tam za classe de 5 eme

mba mafy asaina ny tanimbary
kanefa mikiry ny piasa tany
ny tanany epaka maharary
ikirizany anfea ka avita

mba sarotra lahy ny ento mody
ny saina domelina ny andro lany
kanefa ny pianatra te ho tody
ikirizany anefa ka vita hany


miala tsiny ra tsy ampy fa zay no mba tadidiko eeee


Re: hira ho an'ny ankizy
Envoyé par: Noor (Adresse IP journalisée)
Date: lun 12 janvier 2009 07:58:03

Miarahaba anareo,

Raha misy manome
Zavatra ho anao
Ginka miteny hoe
Misaotra tompoko o!
Ny akoho misotro rano
Babena kely ao
Avia ange tazano
Diniho sy jereo

Aller à la Page:  12Suivant
Page courante:1 parmi 2


Votre nom: 
Votre adresse électronique: 
Sujet: 

C'est un forum modéré. Votre message restera caché jusqu'à ce qu'il soit approuvé par un modérateur ou un administrateur.
 
RADIOMADA - TV MADA
Le Coeur et la Voix de Madagascar


Nombre de connectés sur le chat = 0